FISOKAFAN'NY LA GASTRONOMIE PIZZA FIANARANTSOA

25/10/2019 04:22:11

Zoma 26 Jolay, Sabotsy 27 sy ny Alahady 28 Jolay : Andro telo voalohany

67362251_2335859519827930_4468597868701155328_n.jpg

Nandritra ny andro maro nialoha ny fisokafana dia nanakoako eran'ireo onjam-peo teto Fianarantsoa renivohitra fa ho tonga eto ny La Gastronomie Pizza. Namaly ny antso ary tonga maro dia maro toy izao ny vahoaka nanjifa ireo vokatra nahafantaran'ny olona izany La Gastronomie Pizza izany. Mpianakavy, mpinamana, mpiara-mianatra, olon-tsotra samy nirohotra ary dia nifanitsa-kitro teo am-pidirana sy tao anatin'ny trano mahazaka 250 olona. Notsenaina "dégustation kebab" mialoha ny filaharana nanaovana ny commande teny amin'ny caisse.

67671571_2335857053161510_588092606072750080_n.jpg 67759697_2335857483161467_3030687829257617408_n.jpg

Noho ny hamaroan' ny olona tonga hanjifa sy hahalala misimisy kokoa ilay toerana vaovao, dia maro no voatery niandry ora maromaro vao nahazo latabatra sy seza ipetrahana, tao ihany koa no voatery nijaridina ela be niandry filarahana hanao commande teo amin'ny caisse. Koa dia anehoanay fialan-tsiny ny fahasorenana mety ho naterak'izany. Fantatray fa efa tena ela Fianarantsoa no niandry ny La Gastronomie Pizza, efa eto foana amin'zay izahay manomboka izao misokatra 7 jours/7, 10 ora maraina hatramin'ny 10 ora alina tsy miato. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny livraison. Ny karaoké misy isanandro.

67406701_2335858886494660_8653751926208331776_n.jpg


Miandry anareo mpanjifa izahay

Pizza de qualité, pizza de quantité, pizza ho an'ny daholobe